Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:37
Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
36Avy aminareo va no nihavian’ ny tenin’ Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
38Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14
Cross References
Numbers 24:3Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
Luke 10:16Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
1 Corinthians 7:25Fa ny amin’ ny virijina dia tsy manana didy avy amin’ ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran’ ny Tompo ahy ho mahatoky.
1 Corinthians 8:2Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
2 Corinthians 10:7Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an’ i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah’ an’ i Kristy azy no mah’ an’ i Kristy anay koa.
2 Corinthians 11:4Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin’ izany!