Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 15:19
Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If in this life only we have hope in Christ, we are of all men most miserable.
In Context
18dia very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy.
20Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ ny maty tokoa Kristy ho santatr’ izay efa nodi-mandry.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 15
Cross References
Psalms 17:14Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
Ecclesiastes 9:9Miravoravoa amin’ ny vady malalanao amin’ ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin’ ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ ny andro iainanao sy amin’ ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin’ ny masoandro.
Matthew 24:9Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
Luke 21:34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
John 16:33Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
1 Corinthians 4:9Fa ataoko fa nasehon’ Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan’ izao rehetra izao, na anjely na olona.