Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 7:5
Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin’ izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan’ i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 7
Cross References
Exodus 19:15Ary hoy izy tamin’ ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
Joel 2:16Angony ny vahoaka, manamasìna fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin’ ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
Zechariah 12:12Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian’ i Davida mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana; ny fianakavian’ i Natana mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana;
1 Thessalonians 3:5Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.