Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 9:1
Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an’ i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin’ ny Tompo va ianareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 9
Cross References
Acts 9:5Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
Acts 9:17Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masìna ianao.
Acts 14:4Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
Acts 16:17Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
Acts 22:6Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an’ i Damaskosy, tamin’ ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
Acts 23:11Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.