Boky faharoan'ny Mpanjaka 1:36
Ary Benaja, zanak’ i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 1
Cross References
Deuteronomy 27:15Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
1 Chronicles 17:27dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
Psalms 63:1Salamo nataon’ i Davida, fony tany an-efitr’ i Joda izy.
Psalms 89:20Tamin’ izany ny olonao masìna dia nilazanao tamin’ ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’ izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin’ ny olona.
Jeremiah 11:5Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’ izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!
Matthew 6:13Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.