Boky faharoan'ny Mpanjaka 1:37
Toy ny nomban’ i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an’ i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan’ i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan’ i Solomona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 1
Cross References
Joshua 1:5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
1 Samuel 20:13dia hataon’ i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin’ ny raiko anie Jehovah.
1 Kings 1:47Ary dia tonga koa ny mpanompon’ ny mpanjaka hisaotra an’ i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon’ Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran’ i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
2 Kings 2:9Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’ i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ ny fanahinao mba ho ahy.
1 Chronicles 29:25Ary Jehovah nanandratra an’ i Solomona indrindra teo imason’ ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ ny Isiraely.
Psalms 46:7Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.