Boky faharoan'ny Mpanjaka 1:40
Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 1
Cross References
1 Samuel 4:5Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.
2 Kings 11:14Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana toy ny fanao, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
1 Chronicles 12:38Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’ i Davida amin’ ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’ i Davida.
Daniel 3:5Rehefa mandre ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka,
Luke 19:37Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany