The Bible Software
bible.software › Boky faharoan'ny Mpanjaka › Boky faharoan'ny Mpanjaka 18 › Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:27

Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:27

Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And it came to pass at noon, that Elijah mocked them, and said, Cry aloud: for he is a god; either he is talking, or he is pursuing, or he is in a journey, or peradventure he sleepeth, and must be awaked.

In Context

26Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.

28Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.

Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 18

Cross References

2 Chronicles 25:8Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin’ ny ady; fa hataon’ Andriamanitra lavo eo anoloan’ ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.

Psalms 78:65Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay.

Ecclesiastes 11:9Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina ianao amin’ izany rehetra izany.

Isaiah 41:23Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.

Isaiah 51:9Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’ i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ ny andro fahiny! dia tamin’ ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?

Amos 4:4Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:27

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:26Boky faharoan'ny Mpanjaka 18Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:28 →