The Bible Software
bible.software › Boky faharoan'ny Mpanjaka › Boky faharoan'ny Mpanjaka 18 › Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:26

Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:26

Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And they took the bullock which was given them, and they dressed it, and called on the name of Baal from morning even until noon, saying, O Baal, hear us. But there was no voice, nor any that answered. And they leaped upon the altar which was made.

In Context

25Ary hoy Elia tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala: Mifidiana vantotr’ ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.

27Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.

Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 18

Cross References

Exodus 8:14Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin’ ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy.

1 Kings 18:24Ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’ i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.

Psalms 135:15Ny sampin’ ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan’ ny tànan’ olona;

Isaiah 44:17Ary ny sisan’ izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.

Isaiah 46:7Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ ny fahoriany.

Daniel 5:23fa niavonavona tamin’ ny Tompon’ ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:26

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:25Boky faharoan'ny Mpanjaka 18Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:27 →