Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:29
Ary nambara tamin’ i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah, ka, indro, eo anilan’ ny alitara izy. Dia nirahin’ i Solomona Benaia, zanak’ i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Exodus 21:14Ary raha misy olona avy sahisahy amin’ ny namany hamono azy amin’ ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin’ ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
1 Kings 2:31Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak’ i Joaba.
Proverbs 28:17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
1 Peter 4:17Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?