Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:37
Fa amin’ izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin’ ny lohanao ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Joshua 2:19ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
2 Samuel 15:23Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
1 Kings 2:33Eny, ny ran’ izy roa lahy ireo hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny lohan’ ny taranany mandrakizay; fa amin’ i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’ i Jehovah.
2 Kings 23:6Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ ny tranon’ i Jehovah ho any ivelan’ i Jerosalema, ao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ ny fasam-bahoaka.
Jeremiah 31:40Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin’ ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin’ ny zoron’ ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masìna ho an’ i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
John 18:1Rehefa voalazan’ i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’ izy sy ny mpianany.