Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:40
Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
So Ahab slept with his fathers; and Ahaziah his son reigned in his stead.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Deuteronomy 31:16Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
1 Kings 2:10Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
1 Kings 11:43Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
1 Kings 22:51Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Kings 1:2Ary Ahazia nianjera avy teo amin’ ny makarakara teo amin’ ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin’ ity aretiko ity, na tsia.
2 Chronicles 20:35Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan’ ny Joda, nikambana tamin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Isiraely, izay nanao ratsy;