Boky faharoan'ny Mpanjaka 6:38
Ary tamin’ ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Tamin’ ny volana Ziva tamin’ ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 6
Cross References
Exodus 39:32Ary vita ny asa rehetra tamin’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’ Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exodus 39:43Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
1 Kings 6:9Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon’ ny trano.
1 Chronicles 28:19Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin’ i Jehovah ahy tamin’ ny soratra avy tamin’ ny tànany, izay atỳ amiko.
2 Chronicles 8:1Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny tenany,
Ezra 3:8Ary tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nahatongavany tany amin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, mbamin’ ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ ny asa amin’ ny tranon’ i Jehovah.