Boky faharoan'ny Mpanjaka 7:23
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben’ ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 7
Cross References
Exodus 30:17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Exodus 38:8Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin’ ny fitaratra varahin’ ny vehivavy izay nanompo teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
2 Kings 16:15Ary Ahaza mpanjaka nandidy an’ i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina izay ho an’ ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an’ ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin’ ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
2 Kings 25:13Ary ireo andry varahina teo an-tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon’ i Jehovah dia notorotoroin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.
2 Chronicles 4:2Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
Jeremiah 52:17Ary ireo andry varahina teo amin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia novakivakin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.