Boky faharoan'ny Mpanjaka 7:51
Toy izany no nahavitana ny asa nataon’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 7
Cross References
2 Samuel 8:7Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ ny mpanompon’ i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
1 Kings 6:9Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon’ ny trano.
2 Kings 25:15Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa
1 Chronicles 18:10dia naniraka an’ i Hadorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon’ i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
1 Chronicles 28:11Ary Davida nanome an’ i Solomona zanany ny sarin’ ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
1 Chronicles 29:2Ary tamin’ ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’ Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.