Bokin'ny Nomery 7:10
Dia ny lohan’ ny firenena no nanatitra ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan’ ny alitara izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 7:1Ary tamin’ ny andro izay nahavitan’ i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
1 Kings 8:63Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an’ i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny Zanak’ Isiraely rehetra ny tranon’ i Jehovah.
2 Chronicles 7:9Ary tamin’ ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.
Nehemiah 12:27Ary rehefa hitokanana ny mandan’ i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin’ ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
Psalms 30:1Salamo. Fihirana tamin’ ny nitokanana ny trano. Nataon’ i Davida.