Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3:21
izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’ io tandindona io,― tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ ny nofo anefa, fa ny fitadiavana’ ny fieritreretana tsara eo anatrehan Andriamanitra, amin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3
Cross References
Zechariah 13:1Amin’ izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ ny taranak’ i Davida sy ho an’ ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
Mark 16:16Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.
Acts 2:38Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;
Acts 22:16Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ ny fahotanao.
Romans 6:3Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany?