Boky faharoan'i Samoela 12:21
Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 12
Cross References
Deuteronomy 30:17Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan’ izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
2 Kings 17:15Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
Isaiah 41:23Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
Isaiah 44:9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
Isaiah 46:7Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ ny fahoriany.
Jeremiah 2:13Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’ aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.