Boky faharoan'i Samoela 22:8
no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin’ ny zanak’ i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 22
Cross References
1 Samuel 18:3Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’ i Jonatana azy toy ny tenany.
1 Samuel 20:8Koa mamindrà fo amin’ ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken’ i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin’ ny rainao aho?
1 Samuel 20:30Dia nirehitra tamin’ i Jonatana ny fahatezeran’ i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak’ i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon’ ny reninao.
1 Samuel 23:16Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, niainga, dia nankany amin’ i Davida tany an’ ala ka nampahery ny tànany tamin’ Andriamanitra.
2 Kings 6:11Dia sosotra indrindra ny fon’ ny mpanjakan’ i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan’ ny Isiraely?