Boky faharoan'i Samoela 22:9
Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon’ i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak’ i Jese tonga tany Noba aho tany amin’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 22
Cross References
1 Samuel 14:3ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak’ i Ahitoba, rahalahin’ i Ikaboda, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Ely, mpisoron’ i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
1 Samuel 21:2Ary Davida tonga tany Noba, tany amin’ i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin’ i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
Psalms 52:1Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida,
Proverbs 19:5Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
Ezekiel 22:9Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.