Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2:12
mba handehananareo miendrika an’ Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin’ ny fanjakany sy ny voninahiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
That ye would walk worthy of God, who hath called you unto his kingdom and glory.
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Romans 8:28Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
Romans 9:23mba hampahafantarina koa ny haren’ ny voninahiny amin’ izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
Galatians 5:16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo ianareo.
Ephesians 5:2ary mandehana amin’ ny fitiavana, toy ny nitiavan’ i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
Philippians 1:27Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
Colossians 2:6Koa tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,