Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2:13
Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’ Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’ Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’ olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Jeremiah 44:16Raha ny amin’ ilay teny voalazanao taminay tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.
Matthew 10:20Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
Luke 5:1Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ ny Farihin’ i Genesareta Jesosy;
Luke 8:21Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin’ Andriamanitra ka mankatò azy.
John 15:3Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
John 17:19Ary ho an’ ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ ny fahamarinanao azy.