Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2:14
Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’ Andriamanitra any Jodia izay amin’ i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ ny iray firenena aminareo dia sahafa amin’ ny nanjo ireo koa noho ny nataon’ ny Jiosy taminy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Acts 8:1Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. Ary tamin’ izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
Acts 9:1Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izy
Acts 9:31Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’ i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ ny Fanahy ka nihamaro.
Acts 12:1Ary tamin’ izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ ny fiangonana.
Acts 17:13Fa raha ren’ ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin’ Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
2 Corinthians 8:1Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena tao amin’ ny fiangonana any Makedonia;