Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2:15
izay namono an’ i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon’ Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Psalms 109:20Izany no famaliana avy amin’ i Jehovah ho an’ ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
Matthew 5:12Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Matthew 23:31Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany.
Matthew 27:25Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay.
Luke 13:33Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
Acts 2:23Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;