Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2:7
Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But we were gentle among you, even as a nurse cherisheth her children:
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Genesis 33:13Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’ itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman’ osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman’ osy rehetra.
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Isaiah 66:13Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
Matthew 11:29Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo.
Acts 13:18Ary Izy nandefitra tamin’ ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona.
1 Corinthians 9:22tamin’ ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.