Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 4:11
ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 4
Cross References
Proverbs 17:1Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
Lamentations 3:26Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.
Luke 12:42Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ ny fotoana?
Acts 20:35Efa nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
Romans 12:11Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo.
1 Corinthians 4:12Ary misasatra miasa amin’ ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;