Bokin'ny Tantara 13:8
Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan’ i Jehovah, izay eo an-tànan’ ny taranak’ i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’ i Jeroboama ho andriamanitrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 13
Cross References
1 Kings 12:29Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
2 Chronicles 9:8Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’ Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
2 Chronicles 14:9Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’ i Maresa izy.
2 Chronicles 20:12Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ ny masonay.
Psalms 33:16Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.