Boky faharoan'ny Mpanjaka 12:29
Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he set the one in Bethel, and the other put he in Dan.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 12
Cross References
Genesis 12:8Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ ny tendrombohitra atsinanan’ i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’ i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’ i Jehovah izy ka niantso ny anaran’ i Jehovah.
Genesis 28:19Ary ny anaran’ izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ ilay tanàna tany aloha.
Deuteronomy 34:1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’ i Pisga, izay tandrifin’ i Jeriko. Ary nasehon’ i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
Judges 18:27Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon’ i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin’ ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin’ ny afo.
Judges 20:1Dia nivoaka ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa.
2 Kings 10:29Nefa Jeho tsy dia niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin’ ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.