The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 34 › Bokin'ny Tantara 34:21

Bokin'ny Tantara 34:21

Andeha manontany amin’ i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin’ ny Isiraely sy ny Joda ny amin’ ny tenin’ io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman’ ny razantsika ny tenin’ i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin’ io boky io.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Go, enquire of the LORD for me, and for them that are left in Israel and in Judah, concerning the words of the book that is found: for great is the wrath of the LORD that is poured out upon us, because our fathers have not kept the word of the LORD, to do after all that is written in this book.

In Context

20sady nandidy an’ i Hilkia sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Abdona, zanak’ i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, ka nanao hoe:

22Ary Hilkia sy izay notendren’ ny mpanjaka dia nankany amin’ i Holda mpaminanivavy, vadin’ i Saloma, zanak’ i Tokehata, zanak’ i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin’ ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.

Read all of Bokin'ny Tantara 34

Cross References

Exodus 18:15Ary hoy Mosesy tamin’ ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin’ Andriamanitra.

Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:

Deuteronomy 30:17Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan’ izay andriamani-kafa sy hanompo azy,

Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.

1 Kings 22:5Ary hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin’ i Jehovah.

2 Kings 22:13Mandehana ianareo, ka manontania amin’ i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin’ ny Joda rehetra ny amin’ ny tenin’ ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ ny razantsika ny tenin’ ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 34:21

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 34:20Bokin'ny Tantara 34Bokin'ny Tantara 34:22 →