Bokin'ny Tantara 35:2
Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 35
Cross References
1 Chronicles 22:19Koa ankehitriny ampitadiavo an’ i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ny fanaka masin’ Andriamanitra ho ao amin’ ny trano izay hatao ho an’ ny anaran’ i Jehovah.
2 Chronicles 23:8Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ ny Sabata sy izay niala tamin’ ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
2 Chronicles 29:5Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ ny fitoerana masìna ny loto.
Ezra 6:18Dia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny firazanany avy sy ny Levita ho amin’ ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an’ Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy.