Bokin'ny Tantara 36:13
Ary nikomy tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’ Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin’ Andriamanitry ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 36
Cross References
Exodus 8:15Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Exodus 9:17Mbola mirehareha amin’ ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
Joshua 9:15Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
2 Samuel 21:2Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan’ ny Zanak’ Isiraely, fa sisa tamin’ ny Amorita, ary ny Zanak’ Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin’ ny firehetan’ ny fitiavany ny Zanak’ Isiraely sy ny Joda),
2 Kings 24:20Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.
2 Chronicles 30:8Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masìna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.