Bokin'ny Tantara 5:13
ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 5
Cross References
Exodus 40:34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
1 Chronicles 16:4Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
2 Chronicles 7:1Ary rehefa vita izany vavak’ i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano.
2 Chronicles 7:3Ary nony hitan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra ny nilatsahan’ ny afo sy ny voninahitr’ i Jehovah teo ambonin’ ny trano, dia niankohoka tamin’ ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an’ i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Chronicles 20:21Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’ i Jehovah hidera amin’ ny fihaingoana masìna, raha mivoaka eo anoloan’ ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Ezra 3:11Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin’ ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an’ i Jehovah, satria vita ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.