Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 1:22
Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Who hath also sealed us, and given the earnest of the Spirit in our hearts.
In Context
21Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin’ i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 1
Cross References
John 6:27Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase.
Romans 8:9Fa ianareo tsy ao amin’ ny nofo, fa ao amin’ ny Fanahy, raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’ i Kristy, dia tsy Azy izy.
Romans 8:23ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan’ anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
Ephesians 1:13Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,― eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ ny Fanahy Masìna araka ny teny fikasana.
2 Timothy 2:19Kanefa ny fanorenana mafy nataon’ Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ ny Tompo hiala amin’ ny ratsy.”
Revelation 7:3Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin’ ny handrin’ ny mpanompon’ Andriamanitsika.