Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5:6
Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin’ ny tena, dia tsy mitoetra any amin’ ny Tompo
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7(fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana);
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5
Cross References
Psalms 27:3Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
Psalms 119:19Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
Isaiah 30:15Fa izao no lazain’ ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ ny Isiraely: Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
2 Corinthians 5:1Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’ Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.
Philippians 3:20Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
Hebrews 11:13Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ ny tany izy.