Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 7:15
Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben’ ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary faly aho fa matoky anareo amin’ ny zavatra rehetra.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 7
Cross References
Genesis 43:30Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
Ezra 9:4Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’ Andriamanitry ny Isiraely ny amin’ ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
Job 21:6Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
Psalms 119:120Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
Isaiah 66:2Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
Acts 16:29Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’ i Paoly sy Silasy.