Boky voalohan'ny Tantara 12:4
Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ ny fitoerana avo ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 12
Cross References
Exodus 30:12Raha maka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’ i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
Exodus 35:22Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
Exodus 36:3Ary izy ireo dia nandray tamin’ i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely hanaovana ny asa amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’ i Mosesy.
Leviticus 27:2Mltenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an’ i Jehovah izy araka izay hataonao tombany.
Leviticus 27:31Ary raha misy tian’ ny tompony havotana ny ampahafolon’ ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy.
1 Kings 3:3Ary Solomona tia an’ i Jehovah ka nizotra araka ny dian’ i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany.