Boky voalohan'ny Tantara 2:21
Ary nivoaka nankany amin’ ilay niandohan’ ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan’ anaka intsony hiseho eto.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
22Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon’ i Elisa.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 2
Cross References
Exodus 15:25Ary dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka dia nanehoan’ i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’ i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
2 Kings 4:41Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin’ izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
Psalms 107:33Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
Matthew 5:11Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
John 9:6Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba.
Revelation 21:4Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.