Boky voalohan'ny Mpanjaka 15:18
Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 15
Cross References
1 Samuel 27:4Ary nambara tamin’ i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
2 Samuel 6:10Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran’ i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan’ i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
2 Samuel 15:19Ary hoy ny mpanjaka tamin’ Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin’ ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin’ ny fonenanao.
2 Samuel 20:7Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon’ i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
1 Kings 1:38Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak’ i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an’ i Solomona ny ampondravavin’ i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.