Boky voalohan'ny Mpanjaka 21:14
Ary ny taolan’ i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin’ ny olona tao amin’ ny tanin’ ny Benjamina tao Zela, tao amin’ ny fasan’ i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian’ ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken’ Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 21
Cross References
Numbers 25:8dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Joshua 7:26Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’ izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
1 Samuel 10:2Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan’ ny fasan-dRahely, ao amin’ ny fari-tanin’ ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ ny zanako?
2 Samuel 4:12Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan’ ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’ Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan’ i Abnera tao Hebrona.
1 Kings 18:40Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin’ i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin’ ny olona izy; ary nentin’ i Elia ho eo amin’ ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
Joel 2:18Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.