Boky voalohan'ny Mpanjaka 23:14
Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And David was then in an hold, and the garrison of the Philistines was then in Bethlehem.
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 23
Cross References
Genesis 35:19Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
1 Samuel 13:4Dia ren’ ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan’ ny Filistina Saoly, ka dia halan’ ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an’ i Saoly ho any Gilgala.
1 Samuel 14:6Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
1 Samuel 22:4Ary dia nentiny ho eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin’ ny andro rehetra nitoeran’ i Davida tao amin’ ny batery fiarovana.
2 Samuel 5:17Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosoran’ ny olona ho mpanjakan’ ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren’ i Davida izany dia nidina tao amin’ ny batery fiarovana izy.