Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 3:13
Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But ye, brethren, be not weary in well doing.
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 3
Cross References
Deuteronomy 20:8Ary mbola hiteny amin’ ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ ny rahalahiny.
Isaiah 40:29Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
Malachi 1:13Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.
Romans 2:7ho an’ izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
2 Corinthians 4:1Ary amin’ izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.
Galatians 6:9Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.