Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 3:15
Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Yet count him not as an enemy, but admonish him as a brother.
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 3
Cross References
Psalms 141:5Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny.
Proverbs 25:12Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin’ ny sofina mihaino.
1 Corinthians 4:14Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
2 Corinthians 2:6Ampy ho amin’ izany olona izany ny fampijaliana nataon’ ny maro,
2 Corinthians 13:10Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen’ ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.
1 Thessalonians 5:14Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.