Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 3:6
Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 3
Cross References
Matthew 18:17Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
1 Corinthians 5:4amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompontsika ― rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban’ ny herin’ i Jesosy Tompontsika ―
1 Corinthians 11:2Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin’ ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
Ephesians 4:17Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy;
1 Thessalonians 4:1Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ― dia araka ny andehananareo ihany ― no hitomboanareo bebe kokoa.
1 Thessalonians 5:14Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.