Asan'ny Apostoly 10:45
Ary talanjona ny mino isan’ ny voafora izay niaraka tamin’ i Petera, satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 10
Cross References
Acts 2:33Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ ny Ray ny Fanahy Masìna Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
Acts 10:23Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
Acts 11:15Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna tahaka ny tamintsika fahiny.
Galatians 3:13Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo,
Ephesians 3:5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’ olombelona tamin’ ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ ny Fanahy ankehitriny amin’ ny Apostoly masìna sy ny mpaminany,