Asan'ny Apostoly 19:13
Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’ i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin’ i Jesosy Izay torin’ i Paoly aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary nisy fito mirahalahy, zanak’ i Skeva, Jiosy, lohan’ ny mpisorona, izay nanao izany.
Read all of Asan'ny Apostoly 19
Cross References
Genesis 4:14Indro, efa noroahinao hiala amin’ ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
1 Samuel 14:24Ary ory ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
Psalms 109:10Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
Matthew 26:63Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
Mark 9:38Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
Luke 11:19Fa raha Izaho mamoaka demonia amin’ ny herin’ i Belzeboba, dia amin’ ny herin’ iza kosa no amoahan’ ny zanakareo azy? koa amin’ izany dia ho mpitsara anareo ireo.