Asan'ny Apostoly 19:33
Ary nisy nisarika an’ i Aleksandro avy teo amin’ ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin’ ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 19
Cross References
Acts 12:17Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.
Acts 21:40Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin’ ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin’ ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin’ ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
Acts 26:1Ary hoy Agripa tamin’ i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
1 Timothy 1:20naman’ ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an’ i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy.