Asan'ny Apostoly 21:40
Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin’ ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin’ ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin’ ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
2 Kings 9:13Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’ i Jeho teo amin’ ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
John 5:2Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin’ ny vavahadin’ ondry, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
John 19:17ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota.
Acts 6:1Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny fiantrana isan’ andro ny mpitondratenany.
Acts 13:16Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an’ Andriamanitra, mihainoa;
Acts 21:35Ary rehefa tonga teo amin’ ny ambaratonga izy, dia nobetain’ ny miaramila noho ny fifanosehan’ ny olona;