Asan'ny Apostoly 2:11
Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Cretes and Arabians, we do hear them speak in our tongues the wonderful works of God.
In Context
12Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany?
Read all of Asan'ny Apostoly 2
Cross References
1 Kings 10:15afa-tsy izay azony tamin’ ny mpandranto sy ny tamin’ ny varotry ny mpivarotra ary tamin’ ny mpanjakan’ ny firenena samy hafa rehetra sy tamin’ ny mpanapaka ny tany.
2 Chronicles 26:7Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
Psalms 26:7Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
Psalms 71:17Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
Psalms 78:4Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
Psalms 96:3Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.