Asan'ny Apostoly 2:14
Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
15Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
Read all of Asan'ny Apostoly 2
Cross References
Proverbs 8:32Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
Isaiah 51:1Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’ i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
Isaiah 51:7Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon’ ny zanak’ olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
Isaiah 55:2Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
Hosea 8:1Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’ i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.
Acts 2:22Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,