Asan'ny Apostoly 20:9
Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin’ i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ ny tany avy eny amin’ ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
Read all of Asan'ny Apostoly 20
Cross References
Jonah 1:5Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin’ ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.
Mark 9:26Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ ny maro hoe: Maty.
Acts 14:19Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’ i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.